ActualitésTatitra

Bolivie : Ravan’ny afo ireo vala-javaboahary arovana ao an-toerana

Tany maherin’ny 600 000 hektara no may ao amin’ny departemanta bolivien an’i Santa Cruz (atsinanana). 64 isan-jaton’ireo faritra arovana ao an-toarana no ravan’ny afo avokoa. Niniana natao ny ankahamaroan’ireo fandoroana ireo raha ny fanazavan’ireo mpitandro ny filaminana.

Ny alatsinaina teo izao dia nisy trangana hay 20 ka faritra arovana ny fito tamin’ireo. Tany 200 000 hektara no may tao ao anatin’ny roa andro monja hoy ny fitondram-panjakana ao an-toerana. Anisany niharan’ireo hay ireo ny alan’i Chiquitanía, ny faritra eo anelanelan’ny Amazonie ao avaratra, ny lemaka’i Chaco atsimo sy i Pantanal.

Laisser un commentaire