Nanao fifanaraham-piaraha-miasa ny Ministeran’ny Rano sy ny WaterAid Madagascar
Tafiditra ao anatin’ny Politika entin’ny fanjakana foibe hampandrosoana an’i Madagasikara ny fampisitrahana rano madio ny mponina tsy ankanavaka. Teboka iray ahitana ny fanajan’ny firenena iray ny zon’olombelona tokoa ny fampisitrahana rano fisotro madio, fidiovana sy fanadiovana ny mponina ao aminy.
Sehatra iray izay imasoan’ny ao amin’ny Water Aid raha ny ady amin’ny fahantrana amin’ny alalan’ny famatsiana rano fisotro madio, sy ny fampianarana hidio. Koa nisy arak’izany ny fanaova-tsoniam-pifanarahana teo aminy sy ny Ministeran’ny Rano. « Famatsiam-bola izay ho entina hamatsiana ireo tetik’asa mba ho fanatontosana ny vina izay napetraka mialoha na ny Plan Emergence de Madagascar » raha ny fanazavana nomen’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministera.
Tsiahivina tokoa fa mbola maro ireo faritra mbola tsy misitraka rano fisotro madio raha vao miala kely ny renivohitra isika, na teo aza ireo ezakin’ny mpiara-miombona antoka ireo dia mbola betsaka hatrany ny ezaka tokony atao. « Mbola lavitra tokoa ny hezaka satria 12% amin’ireo mponina monja no misitraka sy mampiasa rano fisotro madio » raha ny nambaran’i Rinala. Tafiditra tao anatin’ny veliranon’ny Filoha raha ny « angovo sy rano fisotro madio ho an’ny rehetra ».
« Efa nisy ihany ny foto-drafitr’asa izay natsangana sy hezaka nataon’ireo tompon’andraikitra maro fa matetika koa ireo vahoaka mpampiasa azy no tsy mahakolokolo sy tsy mahatandrina, hany ka samba vetivety no tsy maharitra ny foto-drafitr’asa » hoy i Tsiry, tompon’andraikitra ao amin’ny fokontanin’Antanambao Manampotsy.
Tokony ho raisin’ny fanjakana ho laharam-pahamehana ny fampiankarana ny taham-bola natokana ho an’ny Rano, Fidiovana, Fidiovana satria tafiditra ho anisan’ny fitsinjovana amin’ny fisorohana ny valan’aretina toy ny Coronavirus ihany koa izany.
Fanja Rakotoarisoa
