ActualitésTsidika

Tsy mety mifindra eny Ambohimanambola ireo mpitatitra ao amin’ny Fasan’ny karana

Nanatanteraka fivoriana teny amin’ny By Pass ireo mpikambana ao amin’ny koperativa ka valo amby roapolo amin’ireo enina amby telopolo tonga nivory no tsy manaiky ny hamindrana ny tobim-piantsonan’ny taxi brousse fasan’ny karana ho eny amin’ny Fisandratana Ambohimanambola.

Nandeha ny resaka fa ny fitondrana no tsy mety mampiasa ny Toeram-piantsonan’ny taxi-brousse Fisandratana eny Ambohimanambola. Nanambara moa ny filohan’ny Fikambanana Randriamparany Martin fa antony tsy handehanan’izy ireo eny ny fahalaviran’ny toerana ary tsy mifanaraka amin’ny filàn’ny mpitatitra ny drafitra nanaovana io tobim-piantsonana io. Nandroso soso-kevitra ihany koa izy ireo mba ny fotodrafitrasa efa misy eny amin’ny fasan’ny karana no asiana fanatsarana ary aleo ny eny Ambohimanambola mba atokana ho an’ireo koperativa miatsinana.

Raha naneho ny heviny tamin’ity raharaha ity Fetra, mpampiasa ny lalam-pirenena faharoa : « Ny Atsinanana aza nanaiky ny hifindra eny Andohatapenaka izay azo lazaina ho lavitra ihany fa ireo koperativa sasany mihitsy no tsy te handroso fa raha fasan-karana izany tena mbola lavitra ny ezaka amin’ny fanatsarana  azy. Aleo manaraka ny fandaminan’ny mpitondra ». « Aleo asiana tobim-piantsonana isakin’ny faritra aleha. Izay mianantsimo mijanona eny amin’ny fasan’ny karana, ary izay miantsinana mankeny Ambohimanambola dia arak’izay hatrany » hoy kosa i Rondro, tompona koperativa iray. Nanambara kosa ny tompon’andraikitra iray avy ao amin’ny « gare routière » eny Andohatapenaka fa izany antony izany no anisan’ny tsy mampandroso an’I Madagasikara, tokony hanaiky ny fandaminana apetrakin’ny Fitondrana ny mpitatitra. Tsy handroso mihitsy isika raha hifanohitra foana.

Raha ny hita hatramin’izay nisian’ny fotodrafitrasa « Gare Routière » napetrakin’ny Fitodram-panjakana, tsy mazoto amin’ny fifindra-toerana hatrany ny koperativa sasantsasany. Toy ny tamin’ny fananganana ny tobim-piantsonana teny Andohatapenaka. Tsikaritra ihany koa fa eo amin’ny resaka planin’ny fotodrafitrasa hatrany ny olan’ireo mpitatitra. Ny hita amin’ity sehatra ity anefa, efa manao ny fanatsarana sy fampandrosoana an’I Madagasikara ny mpiandraikitra ao amin’ny fitondrana eo amin’ny fanapariahana ny gare routiere ho fampivoarana ny fitaterana. Andrasana izany ny fanapaha-kevitry ny avy ao amin’ny Ministera manoloana izao fanambarana izao.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire