Dépêches

Fanafihana tany Belobaka

24 Aogositra, 09:10. Dahalo 10 lahy indray no nanafika ny tananan’ Andranomavokely roa (02) km avaratry ny kaominina Belobaka, Distrika Tsiroanomandidy tamin’ny 11 alin’ny alahady hifoha alatsinainy 23 aogositra 2021 lasa teo. Rehefa izany dia niantso vonjy ny vahoaka ka tonga nifanome tanana avy hatrany ny mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona ary ny ben’ny tanana ka rifatra nandositra niaraka tamin’ny omby 12 ireo dahalo. Nanaraka hatrany anefa ireto mpitandro ny filaminana sy ny fokonolona ka raikitra ny fifampitifirana, tokony ho 80 km atsimon’Belobaka faritra Ankiritoka , dahalo 2 no lavo nandritra izany fa ny sisa kosa afaka nitsoaka nandositra . Efa tafaverina amin’ny tompony ireo omby ireo fa ny iray kosa no voatery novonoina teny an-dalana vokatry ny ratra nahazo azy.

Laisser un commentaire