Dépêches

Vidin-tsolika : Nihatra ny maraina teo ny fampiakarana

11 Jolay, 13h 30 Nihatra androany maraina ny vidin-tsolika vaovao hoy ny tale jeneralin’ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo, (OMH), Jean-Baptiste Olivier. « Efa nampafantarina izany ny tobin-tsolika rehetra », hoy izy. Niakatra 4 900 Ariary ny litatry ny « gasoil », 5 900 Ariary ny litatry ny « super carburant » ary 2 430 Ariary ny litatry ny solika fandrehitra.

Laisser un commentaire