Anjeva : Hiakatra an-tsehatra ny faribolana Sandratra
Hisy ny seho an-tsehatra sy antsan-tonolokalo ho ataon’ny faribolana Sandratra Anjeva ny 23 Jolay 2022 ao amin’ny CGM Analakely. Ho tonga amin’io andro io ireo mpanoratra sy mpiantsa tononkalo zanak’Anjeva.
« Tongava maro raha hijery ny talentan’ny taran’Anjeva. “Amoron-kira” no teny ho entinay mandritra io tsangantonokalo io. Manasa antsika rehetra ho tonga amin’izany » hoy i Santatra, zanak’Anjeva. « Betsaka tokoa ny tanora manan-talenta eto Anjeva. Tsara raha tohanana hatrany izy ireny fa mitondra avo ny anaran’ny tanàna » hoy i Tanjona, mponina ao Anjeva.
Hanomboka amin’ny 3 ora tolakandro ny fotoana. Tsara raha manohana hatrany ny tanora isika, ho reharehan’ny tanàna.
Nicole Rafalimananjara
