Anjeva Gara : Mazava ny tanàna
Nisy ny fametrahana jiro miisa 30 tao amin’ny kaominina Anjeva Gara. Entina hanazavana ireo arabe sy ireo mety ho kizo fieren’ny olon-dratsy ao anatin’ny faritra vitsivitsy ireo hazavana ireto.
« Andrana ihany no natao fa mbola hisitraka izany daholo ny fokontany rehetra aty amin’ny tanàna amin’ity taona 2022 ity. Mankasitraka ny mpiara-miombon’antoka » hoy ny ben’ny tanàna ao Anjeva Gara, Raoeliarison Haja Yves. « Mahafinaritra tokoa ny tetik’asa tahaka zizao ho fampandriana ny fahalemana. Mazava ny tanàna hany ka mihemotra ny olon-dratsy » hoy i Vero, mponina ao Anjeva Gara.
Efa saika nametrahana ireto jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro ireto avokoa ny eto Avaradrano. Izany dia ho fanampiana hatrany ny vahoaka eny ifotony manoloana ny tsy fandriam-pahalemana. Anjaran’ny vahoaka sy ny mpitondra eny ifotony kosa ny miaro ireny fananana iombonana ireny.
Nicole Rafalimananjara
