Andraikiba : Nanampy tamin’ny fanomanana ny fambolen-kazo ireo miaramila
Nifanampy tamin’ny tompon’andraikitra samihafa tao amin’ny ENIAP ny avy ao amin’ny ZDS Tsiafajavona. Nanomana ny toerana hanatanterahana ny fambolen-kazo manodidina an’Andraikiba izy ireo.
« Fotoanan’ny fambolen-kazo tokoa izao. Manana anjara toerana lehibe amin’ny fanomezan-tanàna ho fanamaitsoana ny firenena iraisana izahay » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovam-pirenena. « Niaraka tamin’ny tompon’andraikitra tety an-toerana izahay. Nandamina ny toerana hanaovana ny fambolen-kazo » hoy ny avy ao amin’ny ZDS Tsiafajavona. Marihina fa tamin’ny alalan’ny Acmil sy ny Ensoa no nanaovan’izy ireo izany.
Ilaina tokoa ny fiaraha-mientana ho fanarenana ny tontolo iainana.
Nicole Rafalimananjara
