SocialTsidika

CSB miisa 25 ao amin’ny SDSP Atsimondrano no nahazo fitaovana

Tonga nisolo tena ny Minisitra ny Talen’ny DSSB nandray ireo fitaovana ireo tamin’ny fomba ofisialy. Anisany nanotrona tamin’izany ihany koa ny ireo olom-boafidy sy manam-pahefana tao amin’ny distrikan’Atsimondrano. Anisan’izany ny Talen’ny Fitaleavam-paritra misahana ny fahasalamana eto Analamanga (DRS), ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny Fahasalamam-bahoaka Atsimondrano (M.I) ary ireo mpiasan’ny fahasalamana.

Natao izao hetsika izao ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana hoy ireo tompon’andraikitra. Mponina manodidina ny 700 000 eo no hisitraka ity fampitaovana ity ao amin’ny distrikan’ Antananarivo Atsimondrano. Fitaovana ho hita amin’izany ny« Glucomètre: 25, Oxymètre: 25, Tensiomètre: 25, Stéthoscope: 25, Pèse bébé: 25, Pèse personne : 18, Balance avec toise : 16 ».

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire