ActualitésTsidika

Manakihana ireo fotodrafitrasa atao any ambanivohitra i Hanitra Razafimanantsoa

« Tsy ilainaireoEPP manara-penitra, CSB2, làlana sy ireo foto-drafitrasa maro be ataon’ny fanjakana ankehitriny any ambanivohitra sy manerana ny faritra » hoy i Maitre Hanitra nandritra ny fandraisam-pitenenan’ny vondrona Parlemantera TIM teny amin’ny fivorian’ny Antenimiera. Mahatratra 200 mahery ny EPP natao manerana ny nosy, 101 ny CSB2 vaovao miampy ireo foto-drafitr’asa hafa manerana ny nosy araka ny tatitry ny governemanta.

« Mahagaga ahy koa izany heritretr’ity ramatoa ity izany, toa faly ny hanohitra be fahatany fotsiny » hoy ny renim-pianakaviana sendra anay rehefa nanontaniana ny heviny mahakasika ny tenin’ity solombavam-bahoakan’ny antoko mpanohitra ity.

Milaza ny Praiministra sy ireo depiote fa fangatahana avy amin’ny vahoaka mihitsy no nanatanterahana ireny foto-drafitr’asa ireny. Inona no tena antony nahatonga an’i Hanitra Razafimanantsoa nanao iny fanambarana iny ?

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire