Euro-2021 : Raraka tamin’ny « tirs au but » ny Espagne
Italie no tafiakatra voalohany amin’ny famaranana ny lalao Euro-2021. Tamin’ny isa 1-1 dia nisy ny fahalavam-potoana rehefa nanjakazaka ny Espagne kanefa tsy namokatra. Nitohy tamin’ny « tirs au but » ny lalao saingy lavon’ny mpilalaon’i Roberto Mancini tamin’ny isa 4-2 izany.
Nanjakazaka ny Espagne nandritra ny lalao saingy Italie no namokatra. Nofehezain’ny Espagne ny lalao raha mbola taraiky tao anaty faneriterena ry Verratti sy ny ekipany. Noporofon’izy ireo anefa fa tsy ny fifehezana ny baolina no atao ampatahotra, raha 65% ny fotoana dia tany amin’ny Espagne ny baolina. Tsy nahafaty ny baolina i Donnarumma ka nitohy haingana be ny lalao. Teo amin’ny minitra 25 ihany koa dia nandaka mafy i Olmo saingy voatohatry ny mpiandry tsato-kazon’i Italie izany.
