Afrique du Sud : Fomba hanorenana toe-karenan’ny firenena iray.
Anisan’ireo firenena voakasiky ny valanaretina covid-19 i Afrique du Sud. Iray ampahatelon’ny mponina ao an-toerana no tsy an’asa amin’izao fotoana. Firenena andalam-pandrosoana i Afrique du Sud. Sarotsarotra ho azy arak’izany ny hiarina indray manoloana ny toe-java-misy amin’izao fotoana. Tsy maintsy nanolotra paik’ady entina manarina ny firenena anefa ny minisitry ny toe-karena ao Afrique du Sud, Tito Mboweni, ny talata 24 febroary lasa teo. Teo anatrehan’ny parlemanta no namelabelarana ny teti-bola sy ny tetik’ady rehetra. 7,2 tapitrisa ny olona tsy an’asa ao Afrika Atsimo amin’izao fotoana, manodidina ny 32,5% ny mponina ao an-toerana. Nampiharina avy hatrany ny fihobohana tao an-toerana taorian’ny fahatongavan’ny valanaretina covid-19 tao Afrika Atsimo ny volana martsa 2020. Tsy afaka niditra tao an-toerana intsony arak’izany ireo mpizaha tany sy ny fidiram-bola avy aty ivelany. Nambaran’ny mpahay toe-karena ao amin’ny firenena mikambana fa miantoka ny 25% hatramin’ny 40% -n’sny PIB an’ny firenena iray ny fampiasam-bola mivantana avy any amin’ireo firenena hafa na ny IDE. Zava-dehibe tokoa izany ho an’ny Afrika Atsimo izay misitraka 8% n’ny fanondranana vy sy harena akibon’ny tany. Tsy nanambara ny tena vontoatin’ny paik’ady entina manarina toe-karen’ i Afrique du Sud ireo mpitantana nandrindra ny famelabelarana nataony. Nanazava ny filohan’ny repoblika ao an-toerana, Cyril Ramaphosa, hamorona asa vaovao miankina amin’ny famatsiam-bola vao aingana izay azon’ i Afrique du Sud. Lelavola maherin’ny 823 tapitrisa euro (manodidina ny 2 469 tapitrisa ariary). Anisan’ny paik’ady mahaomby indrindra hanorenana ny toe-karena ihany koa ny fiadiana amin’ny kolikoly ataon’ny eo nivon’ny fanjakana mpitantana ny firenena iray.
