Hatsaraina ny fitantanana ny vatsimpianaran’ny mpianatra.
Hiditra lalindalina kokoa amin’ny fampiasana ny teknolojia ny tontolon’ny anjerimanontolo mba hialana amin’ny olana toy ilay vatsim-pianarana teo. Raha raisina ho ohatra ny Oniversiten’Antananarivo, izay manana mpianatra 40000 kanefa ny 3800 amin’izy ireo no misitraka izany vatsim-pianarana izany, aiza arak’izany ny 200 ambiny? Ireo vahiny sy efa mpiasa na ireo namerin-taona no mamehy io 200 ambiny io hoy ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, Pr Mamy Raoul Ravelomanana. Hanana karatra biometrika avokoa noho izany ny mpianatra tsirairay ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo. Misy kaody QR ao anatin’io karatra io raha ny fanazavana hatrany. Natao izany mba hanatsarana ny fitantanana ny vatsim-pianarana sy hanamorana ihany koa ny fifindran’izy ireo amina Oniversite hafa. Ny tao amin’ny fakiolten’ny mpitsambo no nisitraka izany fanavaozana izany voalohany izay antsoina hoe “digitalisation” ny karatra maha mpianatra, nanomboka ny Alatsinainy 22 febroary. Ho voara-maso tsara avokoa ny mpianatra amin’izany raha toa ka misy mandray vatsim-pianarana indroa. Mitondra antsika amin’ny fivoarana ho amin’ny tsaratsara kokoa sy manamora ny fiainantsika ny hairaha raha ampiasaina amin’ny tokony ho izy. Miezaka hatrany ny sampana isan-tsokajiny amin’ny fampiasana azy io raha ny eto Madagasikara manokana. Betsaka anefa ny voka-dratsiny raha tsy voafehy izy ka mety hiteraka korotana eto amin’ny firenena indray.
Nicole Rafalimananjara
