ActualitésTsidika

Manandriana : Andalam-pahavitana ny fanamboarana ny CEG ao an-toerana

Ao anatin’ny asa fanamboarana sy famitanana ny trano fianarana ao amin’ny CEG sy Lycée Manandriana amin’izao fotoana izao. Mandroso araka ny niheverana azy ny asa fanamboarana izany, raha ny voalaza.

« Efa hita taratra fa tena mandroso ary efa andalam-pahavitana ny fanamboarana eto amin’ny CEG Manandriana. Hisaorana feno izany fahavitany izany ho an’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombonan’atoka amin’ny fanatanterahana ny asa tsy ankiato ho tombotsoan’ny rehetra » hoy ireo tompon’andraikitra ao an-toerana.

« Tena tsara ireo efitra fianarana raha vao tazanina ety ivelany fotsiny. Anisan’ny nanova betsaka ny endriky ny sekoly ny fanamboarana azy izay efa tsy nisy nikarakara an-taonany maro izay » hoy i Norah, mponina ao Manandriana.

Anisan’ny nanome endrika ity trano fianarana ao Manandriana ity tokoa ny fandraisana an-tanana tamin’ny fanamboarana izany, izay sady manaraka ny fenitra no mifanaraka amin’ny filàn’ny mpianatra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire