ActualitésTatitra

La Réunion : Miara-miasa amin’i Afrique du Sud sy Mozambique ny nosy amin’ny fampiroboroboana ny vakoka aty amin’ny ranomasimbe Indianina

Tontosa ny alatsinainy teo ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa teo amin’ny departemantan’i La Réunion sy Afrique du Sud ary Mozambique izay manana tantara iraisana dia ny fanandevozana. Manamarika ny fanokafana ny fahatsiarovana ny « Gran 20 desanm » izay hotontosaina ao amin’ny tranom-bakoka Villèle ao Saint-Gilles-des-Hauts io fanaovam-tsonia io hoy ny tompon’andraikitra.

Marihana fa tonga nanatrika io fanaovan-tsonia io ny filohan’ny departemanta, Cyrille Melchior ; ny filohan’ny fikambanana ho an’ny fahatsiarovana ny fanandevozana sy ny delegasion’i Afrique du Sud sy Mozambique, Jean-Marc Ayrault. Mifantoka amin’ny fandaharan’asa fiaraha-miasa amin’ny fampiroboroboana ny vakoka ara-kolontsaina sy ara-tantaran’ireo firenena ao amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina ireo kosa io fifanarahana natao io.

Laisser un commentaire