Fizahantany : Ampiana tosika ny fiarovana ireo zaza izay manao asa tsy mendrika manodidina ny fizahantany
Efa manomboka miroborobo ny fizahantany amin’izao fotoana izao eto Madagasikara. Maro ireo asa sy sehatra hafa mahazo vahana miaraka aminy. Anisan’izany ny fampiasana zaza tsy ampy taona. Noho ny fahasahiranana anefa dia manomboka 5 taona ireo zaza ireo dia efa hampiasana sahady amin’ny sehatra mamoafady izay mifandray amin’ny fizahantany. Nisy ny atrik’asa izay natao hitadivana vahaolana ny mahakasika izany olana lehibe izany.
« Manodidina ny 5 ka hatramin’ny 17 t-aona eo ireo zaza sy tanora manao asa manodidina ny fizahantany. Vokatry ny fahasahiranana izany ka tsy maintsy manampy ireo Ray aman-dReniny ireo ankizy. Mampalahelo loatra ny antotan’isa izay nivoaka satria dia ny 60% amin’izy ireo dia manao ilay « tourisme sexuel » avokoa », hoy i Diana Rasoanaivo, Talen’ny Kabinetra ao amin’ny Ministeran’ny Fizahantany.
« Zon’ny zaza ny hianatra ka tokony mbola tsy miditra amin’ny asa izany izy. Ilay asa hataony sady manimba ny vatany no manimba ny sainy. Vina lehibe ho anay ny hamerina ireny zaza ireny an-tsekoly indray ka tsy maintsy fantatra aloha ny fototry ny olana ka tsy maintsy manatrika izao atrik’asa izao izahay »,hoy ny solontenan’ireo mpisehatra nanatrika ny atrik’asa.
Maro ireo fepetra noraisina na ho an’ireo zaza sy tanora, na ho an’ireo mpizahatany izay manararaotra fa eo ihany koa ireo mpisehatra hafa mety manana fifandraisana amin’izany. Tsy azo atao tsinontsinona akory izany na dia anisan’ny mampiakatra ny toe-karena malagasy aza ny fizahantany. Izany fepetra rehetra izany dia tsy maintsy hampiharina rehefa voasoratra.
Miora Raharisolo
