Dépêches

Fankalazana ny fety : Hisokatra ho azo tsidihin’ny rehetra ny tokotanin’Ambohitsorohitra

Dépêche 21 décembre, 14h, Amin’izao fankalzana ny fety ny Noely sy ny taom-baovao izao dia hiara-hankalaza izany ny amin’ny Fitondram-panjakana ny vahoaka ka hovohaina ho azon’ny olona rehetra tsidihina ny Lapnan’ny Ambohitsorohitra. Efa miravaka jiro izay mahafinaritra ny maso moa eny an-toerana amin’izao fotoana izao. Marihina fa eo amin’ny tokotaniben’ny Lapa no afaka hidirana fa tsy ny ao anatiny. Manomboka androany alarobia amin’ny fito ora sy sasany hariva izany fisokafana izany izay miaraka amin’ny firehetan’ny jiro mandravaka an’ny Antaninarenina.

Laisser un commentaire