Ambatolaona: Vato indostrialy 1.781 kg tsy misy taratasy saron’ny manam-pahefana
29 Desambra, 08h30. Vato indostrialy « agathes », « quartz rose », « cristal » mitotaly 1 taonina sy 781kg no nentina fiara sprinter iray teny Ambatolaona Manjakandriana (PK 58) no saron’ny Vondron-tobi-paritry ny Zandarimariam-pirenena Imerina-centrale ny marainan’ny alatsinainy 27 desambra 2021 teo. Tsy misy taratasy na iray ireo vato ireo raha tokony hisy anton-taratasy maro manamarina azy. Nilaza ny mpamily nandritra ny fisavana fa apombo no nentiny, notsirihin’ireo zandary tsara nefa ny tao anaty fiara ka tratra tao anaty gonin’apombo miisa 56 ireo vato. Nogiazana ireo vato ary ampidirina ambala mandritry ny 10 andro ilay fiara. Mitohy kosa ny famotorana.
