Lozam-pifamoivoizana teo amin’ny sampanana Manambato nahafaty olona efatra
29 Desambra, 08h00. Olona efatra no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho teny amin’ny lalam-pirenena faharoa sampanan’i Manambato ny 27 desambra teo. Fantatra fa tomponandraikitry ny serasera amin’ny ORTANA (Office Régionales du Tourisme Analamanga) sy ny zanany vavy kely ary ny rafozany mivady ireo tra-doza ireo. Telo kosa no velon’aina tamin’io loza io dia ny vadiny sy ny zanany lahy ary ny mpamily.
