Mahavelona : Hahazo toby fitsinjarana solika
Nanatanteraka fitsirihana ara-teknika mikasika ilay toby fitsinjarana solika vaovao tany Mahavelona Foulpointe ny Ministeran’ny angovo sy ny Akoran’afo. Feno ny fepetra ara-teknika sy sosialy ahafahana manatanteraka ny asa.
« Tena ilain’ny vahoaka tokoa ny fotodrafitr’asa tahaka izany amin’ny maha toerana be mpitsidika an’i Foulpointe eto Madagasikara » hoy ny ben’ny tanàna ao Mahavelona Foulpointe. « Heverina fa tsy ho ela intsony dia hanana toby fitsinjarana solika mamaly ny filan’ny vahoaka ny eto Mahavelona Foulpointe. Efa feno avokoa ny fepetra amin’ny fahatontosany » hoy ny Tale misahana ny Akoran’afo, Razafimamonjy Jinot.
« Tsy ho sahirana intsony izahay amin’ny fividianana solika. Somary lavitra tokoa mantsy vao mahita tobin-tsolika hany ka sahirana » hoy i Fanjava, mpamily ao Foulpointe mampitohy an’i Toamasina. Tena ilaina amin’ny toerana be mpitsidika tahaka an’i Foulpointe tokoa ny tobin-pamaharana solika tahaka izany.
Na dia toerana ambanivohitra aza i Foulpointe dia hita fa tena mandroso tokoa noho izy manana moron-tsiraka mahafinaritra.
Nicole Rafalimananjara
