ActualitésTsidika

Alasora: Notolorana fanamiana ireo polisy vaovao

Polisy kaominaly vaovao miisa 07 mianadahy no notolorana fanamiana vaovao, tamin’ny alarobia lasa teo, tao amin’ny kaominina Alasora. Araka ny voalaza, efa nandalo fiofanana izy ireto ary efa nandalo fisedrana ka hanampy isa ireo polisy kaominaly efa niasa tao amin’ny kaominina teo aloha.

“Anisan’ny miasa amin’ny fandaminana ireo asa aman-draharaha eny anivon’ny kaominina no tena anjara andraikitry ny polisy kaomininaly. Ao anatin’izany, ny fandaminana ny mpivarotra sy ireo mpivezivezy ety anivon’ny kaominina, mandamina ny fifamoivoizana, ny fanaraha-maso ireo sehatra sy asa aman-draharaha rehetra misy ety anivon’ny kaominina” hoy ny avy amin’ny kaominina.

“Taratry  ny ezaka ny fitomboan’ny isa tahaka izao. Hirariana hatrany ny hitohizan’ny ezaka eo amin’ny fanatanterahana ny asa izay ampandraiketana azy ireo, na eo amin’ny fomba fiasa izany na eo amin’ny fitondran-tena, mba ho fitaratra ho an’ny vahoaka” hoy I Michel, mponina ao Alasora.

Miisa 20 amin’izao fotoana izao ireo polisy kaominaly miasa ao anatin’ny kaominina Alasora. Miandahy miam-bavy izy ireo, ary tamin’ireo polisy vaovao ireto, miisa 2 ny vehivavy.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire