Tazee : Marika fitafy vaovao havoakan’i Abel Anicet
Hamoaka marika akanjo sy ireo fitafy isan-karazany i Abel Anicet ka hampitondrainy ny anarana hoe « Tazee » izany. Fiaraha-miasa amin’ny BôGasy Madagasikara ity hotanterahina ity izay ahitana an’i Hasimalala Razafie. Abel Anicet moa dia tsy iza fa ilay mpilalao baolina kitra Malagasy mipetraka any ivelany ary efa kapitenin’ny Barea teo aloha. Tsy midika anefa izany fa niova taranja izy fa mbola mitohy hatrany ny filalaovany baolina kitra.
« Misy karazany maro ny vokatra hivoaka amin’izany toy ny akanjo, pataloha, « casquette » « jogging » ary hisy hatramin’ny kiraro. Ny alatsinainy 9 janoary izao dia hisy ny santionany hivoaka amin’izany marika izany izay azo jifain’ny olona rehetra tsy ankanavaka », hoy ny avy ao amin’ny BoGasy Madagasikara, mpiara-miasa amin’i Abel Anicet.
« Efa maro ireo akanjo mitondra izany anarana hoe Tazee izany saingy hinoana kosa fa misy fiavahana amin’ny rehetra ity vita Malagasy ity satria ireo marika tazee ho amin’ny fanatanjahantena no tena hilofosany. Tokony ho rehareha ihany koa ny fananana tanora mahita hevitra toy izao izay anatin’ny kolontsain’ny fandraharahana ilaina amin’izao fotoana izao », hoy kosa ity matihanina amin’ny sehatry ny lamaody iray ity.
« Mahafinaritra ny mahita hoe mpilalao baolina kitra izy ka mahasahy mampivady ny asany amin’ny sehatra iray tena hafa. Mampivelatra ny sain’ny tanora izany fa azo atao ny mampiasa ny saina ho fitadiavam-bola hafa ny talent amaro izay ananana. Raha mijery ny sarin’ity mpilalao baolina ity mantsy dia hita fa mahay mihaingo sy manana ny style anazy manokana izy izay telenta iray hafa ankoatra ny maha mpilalao baolina kitra ny tenany », hoy i Julienne, mpanjaitra.
Tokony trandrahana ny talenta izay mety matory any anatin’ny tsirairay any ahafahany mampidi-bola amin’ny alalan’izany. Izany dia hatomboka dieny mbola kely ahafahana mivoatra hatrany ao anatin’izany sehatra izany.
Miora Raharisolo
