ActualitésTsidika

Alasora : Fiara lehibe iray no latsaka tao anaty tatatra

Kamiao iray no latsaka anaty tatatra ny zoma 19 aogositra 2022 lasa teo tao Alasora. Marihina fa nisesisesy tato ato izay ny lozam-pifamoivoizana. Tao anaty tatatra teo akaikin’ny mpivaron-kazo Ambohimanandraisoa moa no nilatsaka ity Kamiao ity. Raha ny voalazan’ireo mponina dia tsy fantatra mazava ny antony nahatonga izao lozam-pifamoivoizana izao. Tsy nisy ny olona naratra ary tsy nisy ihany koa ny aina nafoy fa ilay kamiao fotsiny ihany no nidiran’ny rano. Mila mitandrina hatrany manoloana ny zava-misy mety hitranga.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire