Etats-Unis : Mpivady iray namono zaza menavava
Teraka ny 24 novambra teo tao an-tranony tao Iowa i Taylor Blaha, 24 taona. Tsy nanam-paniriana ny hitaiza io zanany io izy ary efa niomana ny fanomezana izany ho an’ny rahavaviny. Marihana fa efa nanan-janaka iray 2 taona i Taylor Blaha, sy ny vadiny Brandon Thoma, 31 taona.
Isaky ny nitomany ilay zaza menavava dia natahotra izy mivady ireo. Antony ny fanomezany zava-mahadomelina (méthamphétamine) ny zaza sy ny tahotra ahafantaran’ny mpiray vodirindrina na ny manam-pahefana izany. Rehefa tsy laitra nampanginina ilay zaza dia nosemporin’ireo mpivady ireo tao anaty ranon’ny « baignoire ». Natao tao anaty harona sy kitapo ny faty taorian’izany ary nariany tanaty alaala.
Naharay antso ny manam-pahefana taorian’izany fa nisy mpivady namono sy nanary fatin-jaza. Nosamborina izy mivady ireo ary rehefa natao ny fanadihadiana dia fantatra fa efa nikasa nanala ny zaza izy ireo. Mitentina 1 tapitrisa dollars kosa ny tetibola ahazoan’izy ireo fahafahana vonjy maika.
