Etats-Unis : Nirodana ny tetezana lehibe ao « Baltimore », natasahatra ny fikarohana, olona 6 no ahiana maty hatreto
Fifandonan’ny sambo mpitondra kaontenera « Dali » tamin’ny tetezam-by lehibe iray tao Baltimore, Etats-Unis, no niteraka ny firodanana ity. Nilaza ireo tomponandraikitra ao amin’ny seran-tsambon’i Singapour, omaly alarobia, fa nandalo sampana fanaraha-maso indroa ity sambo ity ny taona 2023. Manan-kery ary ara-dalàna avokoa ny momba ity sambo ity sy ny fitaterany entana, nandritra ity fotoana nisehoan’ny loza ity, ny talata alina teo. Nitatitra kaontenera miisa 4.679 ity sambo ity izao nitera-doza izao. Niainga tao amin’ny seran-tsambon’i Baltimore, tokony tamin’ny 1ora maraina, hiazo an’ny seran-tsambon’i Colombo ao Sri Lanka. Tokony tamin’ny 1ora sy 28 maraina ihany, niseho ny olana teo amin’ity sambo ity ka nidona tamin’ny tetezana migodana izany. Nsy nisy naratra ireo ekipan’ny tantsambo, izay niisa 22 tao anatiny. Ny talata hariva, nanao fanambarana ireo manam-pahefana tany an-toerana ny hanatsahatra ny fikarohana manodidina ny tetezana. Olona enina, tamin’ireo tsy hita no heverina ho maty hatreto.
