Anjeva gara : Lalana mirefy 100 metetra namboarina tao amin’ny fokontany Ankadiefajoro
Nisy ny fanamboaran-dalana tao amin’ny fokontany Ankadiefajoro ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Lalana mirefy 100 metatra tao amin’ny vohitra Fiadanana sy Ankadiefajoro no namboarina araka ny voalaza.
« Lalankely mirefy sahabo ho 100 metatra no namboarina. Fiaraha-mientana tamin’ireo Fokonolona teny an-toerana no nahavitàna izany ka nanolotra simenitra ny kaominina ho fanampiana azy ireo. Manomboka tamin’ity anio ity ihany koa ny Fanamboarana ny tetezana miampita eo amin’ny toeram-piantsonana goavikely (mankeny Fiadanana), izay tetezan-kazo ka ho avadika Béton » hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« lalana nanahirana ny mponina ity teo aloha. Hisaorana feno ny tomponandraikitra nitondra fanamboarana izany. anisan’ny taratry fandrosoana, sy fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny tahaka izao » hoy i Nirina, mponina ao Anjeva.
Ao anatin’ny asa fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra ny asa tahaka izao, ary ilain’ny mponina. Ny tomponandraikitry ny kaominina moa dia anisan’ny manao ezaka hatrany amin’ny famaliana ny filàn’ny mponina eny ifotony.
