CultureTatitra

Titanic : Lafo, nisy nividy hatramin’ny 660.000 euros ilay varavarana nanavotana an’i Rose nandritra ny filetehan’ny sambo

Manana tompony vaovao ankehitriny ilay varavarana tamin’ny sarimihetsika Titanic, izay nanavotra an’i Rose tsy ho faty an-drano, saingy nandetika an’i Jack taorian’ny filentehan’ilay sambo manan-tantara iray. 26 taona taorian’ny namoahana azy ho azon’ny rehetra ho jerena, ilay tapa-kazo malaza dia mijanona ho ampahany manan-danja amin’ny sarimihetsika notontosain’i James Cameron. Lafo nandritra ny lavanty tao amin’ny « Treasures from planet Hollywood » hatramin’ny 660.000 euros mahery izy io. Nandritra io hetsika, izay nokarakarain’ny Heritage Action io, ihany koa dia kojakoja samihafa maherin’ny 1600 no lafy nandritra ny lavanty, anisan’izany, nahatratra 480.000 euros ny 480.000 euros ny karavasy an’i Harrison Ford tao anatin’ny horonantsary Indiana Jones et le temple maudit (1984) ary tafakatra 115.000 euros ny famakin’i Jack Nicholson tao amin’ny The Shining (1980). Tahaka izany ihany koa ny akanjo nanaovan’i Kate Winsley tao amin’ny Titanic.

Laisser un commentaire