ActualitésTsidika

Masindray : Nisy ny hetsika nanaovana ezaka ho fananganana efitranon’ny sekoly

Notontosaina tamin’ny alahady teo ny hetsika goavam-be, izay nokarakarain’ny fiangonana FJKM ao Masindray. Izany moa dia natao ho ezaka amin’ny fananganana efitranon’ny sekoly miisa roa ao an-toerana ary nandray anjara sy nifanohana tamin’izany ny fikambanana iray ao an-toerana.

« Noho ny fahatsapan’ny fikambanana ZMMA (Zanak’i Masindray Mandray Andraikitra) ny hasarobidin’ny fanabeazana izay tena fototry ny fandrosoana dia nandray anjara mivantana tamin’ity hetsika ity ny fikambanana, ka tamin’ ny lalao fifaninana baolina kitra hoan’ny lahy sy vavy no nanamarihany izany » hoy ny avy amin’ny fikambanana.

« Ny Alahady kosa ny nanolotra ciments 2 tonnes ho azy ireo ny fikambanana mba ho mariky ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa. Mbola santatra ambavarano ihany izany fa ny manetsa be mbola ho avy » hoy hatrany ny fanazavana.

Raha tsiahivina, ny sabotsy sy alahady teo no nanatanterahana ity hetsika ity. Anisan’ny nanamarika izany ny kermesy lehibe, ny lalao baolina kitra ary ny fotoam-pivavahana. Nifanohana sy niara-niala voly ireo mponina tao an-toerana nandritra izany.

Laisser un commentaire