ActualitésTatitra

Etats-Unis : Vehivavy iray no namatotra ny zanany tamin’ny fiarany ary nitaritarika azy teny amin’ny lalana

Ny 2 may teo tao Kansas no niseho ity tranga ity. Renim-pianakaviana iray no namatotra ny zanany taorian’ny fiarany ary nitaritarika azy teny amin’ny lalana tao amin’ny Wichita. Olona nahit ny tranga no niantso ny shérif tao Archer ary nanokatra ny fanadihadiana avy hatrany.

Tamin’ny voalohany dia nandà ny tranga io renim-pianakaviana 61 taona io. Nahazo fahafahana ny tenany rehefa tsy nisy ny porofo nanameloka azy saingy nampiantso azy indray ny manam-pahefana rehefa nisy ny horonantsary nalefan’ireo vavolombelona. Hita tao anatin’izany ny zazalahy kely iray nifatotra ary niazakazaka taorian’ny fiara izay nentin’io renim-pianakaviana io.

Mnoloana ny tranga kosa dia notanana am-ponja vonjimaika io vehivavy io. Efa afaka moa ny tenany amin’izao fotoana rehefa nahaloa ny lamandiny nitentina 100 000 dollars. Ilay zazalahy kosa dia norasahana ny fianakaviany ary raha ny fanazavana dia fanasaziana azy noho ny faniratsirana io fihetsika nataon’ny reniny io.

Laisser un commentaire