ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mila Tsena Mora hatrany ny mponina

Mitohy hatrany ny fanatanterahana ny Tsena Mora ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ilain’ny mponina tokoa ity tsena ity. Etsy an-kilany efa mitety Fokontany mihitsy ny fanatanterahana izany.

« Ny fokontany Antanandrano no nisitraka ny Tsena Mora farany teo. Ny fokontany Belanitra indray no hisitraka izany ny 10 Martsa ho avy izao. Aoka samy hanaraka hatrany ny fandaminana. Mandeha tsikelikely ny fitetezana ireo fokontany ary samy mahazo avokoa » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. « Nilamina tsara aloha hatreto ny fanatanterahana ny Tsena Mora teto Ankadikely Ilafy. Mora alamina ny mponina. Hita tokoa fa tena mamaha ny olan’ny mponina eny ifotony ity tetik’asa ity » hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny Varotra.

Miara-miezaka ho amin’ny Fampandrosoana ao anaty fahasamihafana tokoa isika. Tsara raha manaja hatrany ny fandaminana isika mpanjifa.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire