ActualitésTsidika

Avaradrano : Misy sarany ny parking ao Ankadikely Ilafy

Hisy sarany ny fametrahana fiara na kodiaran-droa ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy anomboka androany. « Hisy sarany ny famatrahana fiara na moto amin’ny toeram-piantsonana eto amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Ny fiara dia 500 ar isan’ora raha toa ka 200 ar kosa ny an’ny kodiaran-droa. Misaotra antsika sahady amin’ny fanarahana ny fandaminana » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy.

« Ho antsika eto amin’ny Kaominina ihany ny vola azo amin’izany. Ho entina am-pandrosoana ny tanànantsika » hoy i Toky, mponina ao Ankadikely Ilafy. Fananana iombonana ireny parking ireny. Asian’ny mponina lanja kokoa izy raha misy sarany. Irariana mba hitondra famapandrosoana ho an’ny kaominina hatrany ny toy izao.  

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire