ActualitésTsidika

Anjozorobe : Tovolahy 22 taona maty tsy tra-drano

Nitrangana lozam-pifamoivoizana tao Analaroa Anjozorobe. Kamiao nitondra mpijery baolina kitra maherin’ny 30 ity niharan-doza ity.

« Tovolahy 22 taona no maty tsy tra-drano, 3 kosa tapa-taolana, izay efa nentina hopitaly. Mila mitandrina mandrakariva isika fa ny aina tsy ananam-piry » hoy i Rodrigue, mponina ao Anjozorobe. « Hanatrika lalao famaranana, ifanandrinan’ny ekipan’ny kaominina Analaroa sy Antanetibe izahay. Nandeha mafy loatra ny fiara ka nivadika tany amin’ny ilany ankavanana rehefa nikasa hiodina » hoy ny mpandeha iray tao anatiny.

Niakatra teo ambony kianja ilay fiara. Tsy nijanona tamin’ny toerana voatokana hiantsonany izy izay voalaza fa nandeha mafy loatra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire