Toliara : Avotra ilay tovovavy saika ho atao takalon’aina
Zary lasa fitaovana entina hanaparana izay tiana atao, na tsy am-pahamarinana aza, ny basy. Entina handrahonana mba ahazoana izay tiana atao hany ka manjary mahazo vahana ny fanafihana mitam-piadiana manoloana ny fananam-bahoaka izay tanam-polo, tsy manana fitaovam-piadiana akory. Rehefa manana basy ve izany dia afaka manao izay tiany ? Tovolahy iray izay efa jiolahy isan’ireo karohina fatratra no nanery an’ity tovovavy mba hiaraka aminy ary raha tsy nanaiky ity tovovavy dia saika notifiriny tamin’ny basy. Tany Bealana Toliara no niseho ny tantara. Niantso polisy haingana ny rain’ilay tovovavy ka afaka fotoana fohy no tonga ny polisy. Am-panambanana basy ilay tovovavy tsara ilay jiolahy no tonga ny mpitandro filaminana. Natodik’ity jiolahy rain-dahiny ity tany amin’ireto polisy indray ny vava basy. Voatery nitifitra azy ny polisy ka maty tsy tra-drano vokatr’izany ity dahalo ity. Avotra soa aman-tsara ilay zanak’ilay rangahy ary tsy misy atahorana ny fahasalamany. Fantatra ihany koa fa jiolahy efa notadiavin’ny mpitandro filaminana efa ela ilay lehilahy noho ny fanafihana mitam-piadiana nataony tao Toliara. Moa va tsy tahaka ireny amin’ny horonantsary ireny mihitsy no niseho ? Hita ihany ny fahafehezan’ny polisy ny fitazomam-basy. Marina fa efa enjehin’ny lalàna ny fitazomana basy tsy nahazahoana alàlana saingy tsy voafehy izany manoloana ny asan-dahalo sy ireo mpamatsy fitaovam-piadiana ny dahalo.
Nicole Rafalimananjara
