Inona no nahatonga ilay « Vendredi 13 » ?
Ny zoma treize dia andro zoma faha13 amin’ny volana iray. Misy dikany manokana io daty ka ao ireo mihevitra izany ho andro ratsy, ao kosa ireo mihevitra izany ho androm-bintana. « Andro ratsy ny fitontonan’ny 13 amin’ny andro zoma, raha ny teto Madagasikara izao dia ny 13 Mai 1972 no nisian’ny rà mandriaka teto Antananarivo » hoy i Lanto, olom-pirenena tsotra.
« Ho anay kristianina dia andro nitondrana famonjena ho anay satria maty teo amin’ny hazofijaliana i Kristy taorian’ny fiaraha-misakafo tamin’ny mpianany 12 lahy ary 13 niaraka taminy » hoy kosa i Clarisse. « Ho anay tsy minomino foana, kolontsaina vahiny izany ka tsy tokony ho dinihana kely akory » hoy ny hafa naneho ny heviny mikasika ny zoma 13.
Tsy maintsy misy zoma faha 13 amin’ny volana kosa anefa ao anatin’ny taona iray farafahakeliny hoy ireo manam-pahaizana. Ary ny zoma 13 aogositra lasa teo no zoma tokana faha-13 amin’ny taona 2021. Ny fomba kristianina no nanamarihana iza, ny volaohany izay andro nahafatesan’i Kristy niaraka tamin’ireo olona 13 nihinanna sakafo, vintana izany sa ratsy vintana ? Fotoana famonjena sa fotoana nijaliana ? Tsy mbola misy valiny izany fa kosa ny rehetra no mamaritra avy ny tontolo androny ary samy mahalala avy eo raha tena tsara vintana tokoa na ratsy vintana.
Nicole Rafalimananjara
