ActualitésTsidika

Anjeva: Zoky nanasaraka ady voatsatoka antsy, nitsoaka ilay zandry ary voasabotry ny zandary

Trangam-piaraha-monina niseho tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjeva gara, tamin’ny 19 May ity niseho ity. Voatsatoka antsy noho ny fanasaharana ady ity lehilahy ity. Nitsoaka taorian’izay ilay zandry olona kanefa tratran’ny zandarimaria ihany.

« Hamamoana tao anaty alim-pandihizana ny alin’ny 19 may ka nitarika ady sy sakoroka tao an-toerana. Tao anatin’izay nirotsaka nanasaraka ilay ady ny zokiny kanefa ity farany indray no voatsatoka antsy teo amin’ny lamosiny » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Nitsoaka nanomboka tamin’io fotoana io ilay zandry olona ka tsy voasambotra raha tsy izao 27 may izao. Notazomina natao famotorana moa izy sy ny namany nanome ilay antsy azy tamin’io fotoana io » hoy hatrany ny fanazavana.

Matetika niseho tato ho ato ity tranga ity. Misy ireo mpiady ka ny mpanasaraka no lasibatra. Raha tsiahivina, ny herinandro lasa teo ihany koa, raim-pianakaviana iray namoy ny ainy vokatry ny dona nahazo ny lohany noho ny fanasarahana ady teo amin’ny zanany sy zana-kavany.

Laisser un commentaire