ActualitésTsidika

Zandarimaria Soamanandrariny: Voasambotra ireo jiolahy hikoizana amin’ny asa ratsy

« Naza Gangs » izany no anarana entin’ireo andian-jiolahy, malaza ratsy amim’ny fanendahana, famakiana trano ary amin’ny fanaovana hesitra, eny amin’ny faritra Ankadindramamy, Ankandrina, Ambohimahitsy ary Soamanandrariny ireto.

« Noho ny fanoroan’ny olona tsara sitrapo dia voasambotry ny zandary ny jiolahy iray tomponantoka amin’ny fanaovana asa ratsy eny amin’ny Soamanandrariny, Ankandrina, Ankadinandriana, Ambohimahitsy. Efa indroa nigadra, ny taona 2016 sy 2019 noho ny fifohana rongony sy famakiana trano izy » hoy ny avy amin’ny zandarimaria.

« Tao anatin’ny famotorana natao, dia nanondro ireo mpiara-manao asa ratsy aminy sy ny mpandray ireo halatra ka voasambotra avokoa » hoy hatrany ny fanazavana.

Manjaka ny asan-jiolahy amin’ireo faritra voatanisa etsy ambony ireo. Efa maro ireo mponina no nitaraina sy nanao antso avo manoloana izany. Anisan’ny manao ezaka amin’izany ny zandarimaria avy amin’ny Poste avancé ao an-toerana ho antoky ny fandriam-pahaleman’ny mponina.

Laisser un commentaire