ActualitésTsidika

Alasora: Ny fikambanana Kolotanana no hitantana ny RF2

Ho raisin’ny fikambanana Kolotanana an-tanana manomboka izao ny fitantanana ny sehatra RF2 (Rano Fidiovana Fanadiovana) ao amin’ny kaominina Alasora. Nisy ny fifidianana nentina nandany izany fanapahan-kevitra izany tao an-toerana, izay niarahan’ireo mpanolo-tsaina kaominaly.

« Nisy ny fifidianana sy ny adi-hevitra natao niarahan’ireo mpanolo-tsaina ao amin’ny kaominina nentina nandany izao fanapahan-kevitra izao ary manaraka ny lalàna mifehy ny mpanolo-tsaina izany. Mpifidy miisa fito no nandany sy nisafidy nandritra izany » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

« Ny sehatra RF2 dia mila fameloma-maso hatrany ary mila hampiarina eny ifotony mba handaminana sy handrindrana ny fahadiovana, ny fidiovana. Rariny araka izany raha omena ny sehatra efa miandraikitra izay lafin’ny fanadiovana sy ny fahadiovana izany mba hifampitohizan’ny asa hiandraiketan’izy ireo » hoy i Manoa, mponia ao Alasora.

Raha tsiahivina, ny fikambanana Kolotanana dia rafitra iray ao anatin’ny kaominina, izay misahana manokana ny fandrindrana sy ny fandaminana ny fako sy ny fahadiovana ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire