Inde : Nahitam-bokany ny ezaka fiarovana ny « tigre sauvage »
Isan’ireo firenena manana fianakaviamben’ny « tigre sauvage » betsaka indrindra eran’izao tontolo izao i Inde. Nisedra fihenana nefa ny tahan’io biby io tao an-toerana ny taona 2006 izay nidina 1 411 ka niroso tamin’ny fiarovana izany biby anisany ahatahorana ho lany tamingana (menacés) izany ireo tompon’andraikitra.
Raha efa tafiatra 2 967 ny isan’ny « tigre sauvage » tao Inde efa-taona lasa izao dia nitombo 3 167 indray izany raha ny fanisana farany natao ny faran’ny herinandro teo. Marihana fa ity karazana « tigre » ity dia nisy tao Asie afovoany, atsinanana ary atsimo fahiny saingy tao anatin’ny 100 taona dia nihena 93% ny fiaraha-moniny ary firenena 13 isa sisa no ahitana azy raha ny tatitry UICN (Union internationale pour la conservation de la nature).
Atao isaky ny efa-taona ny fanisana ny « tigre sauvage ». Fitaovana avo lenta no ampiasaina amin’ny famantarana ny « tigre » tsirairay. Rehareha kosa hoy ny praiminisitr’i Inde, Narendra Modi ny fahombiazan’ny ezaka fiarovana io biby io.
