ActualitésTsidika

Fahasalamana: Mikaroka vahaolana hanatsarana ny fahasalaman’ireo voafonja ny Institut Pasteur

Mbola mitoetra ho tsy misy mpandray andraikitra hatrany ny fahasalaman’ireo voafonja eto Madagsikara amin’izao fotoana izao. Manoloana izany indrindra dia hanatanteraka ny tetik’asa MIARINA ny Institut Pasteur de Madagascar hahafahana mikaroka lalana hanohana sy handraisana an-tanana ny fahasalaman’ireo voafonja. Fanatsarana ny fitantanana ankapobeny ny raboka sy ny VIH/SIDA any amin’ny fonja eto Madagasikara no tena tanjon’ny tetik’asa.

“Amin’ny alalan’ny fikendrena ny voafonja sy ireo havany no hanatanterahana ny tetik’asa. Ireo mpisehatra amin’ny fahasalamana sy ny fitsaboana ny raboka sy ny tsimok’aretina VIH no ho tohanana, indrindra mahakasika ny fomba fitsaboana entin’ireo mpisehatra ireo. Manao ny fikarohana ny IPM ary amin’ny alalan’ny valin’izany no hahafahana mamoaka paik’ady vaovao hanatsarana ity sehatra ity”, hoy i Élodie Chevallier, mpandrindra ny tetikasa ao amin’ny IPM.

Zava-dehibe ny fahasalAmana fa mialohan’ny hahatomombana ny fahasalamana dia ny toe-piainan’ireo voafonja mihitsy no mial asiana fanovana. “Miainga amin’ny resaka fitsarana izany satria ny ankamaroan’ireo voafonja ireo dia olona mbola tsy voatsara akory fa voatazona ela loatra any noho ny kolikoly sy ny tsy fahatomombanan’ny rafi-pitsarana. Manaraka izany ny fomba fiainan’ireo ao anatin’ny fonja mihitsy. Amiko raha vitsivitsy ny voafonja dia afaka ny hisitraka ny zony anaty fonja ihany izy ireo tsirairay. Met yeo ny aretina raboka sy ny VIH fa mbola mamely an’izy ireo ihany koa ny tsy fahasalamana ara-tsaina noho ny tsindry isan-karazany ao”, hoy ny Psychologue iray.

Fonja miisa 4 efatra no efa hiasan’ny tetik’asa MIARINA dia ao Antanimora (Antananarivo), Mahajanga, Manakara ary Toamasina. Hiarahan’ny IPM, EKAR CES / ACP, ny HI ary ny PPI miasa ny fanatanterahana izany tetik’asa izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire