Talata Volonondry : Manomboka misehatra amin’ny fanamboarana sakafo avo lenta ihany koa ny mponina
Tsy ny koba na ny saosisy ihany no sakafo handraharahan’ny mponina ao Talata Volonondry. Efa manomboka hita any an-toerana ihany koa ny fivarotana sakafo vahiny toy ny tacos sy ny pizza.
« Vao manomboka manao azy mihitsy izahay. Tsy mbola manana toerana manokana aloha amin’izao. Miantso ny mpanjifa dia manatitra izany any an-tranony izahay. Izany aloha no atao amin’izao » hoy Tiantsoa, mpandraharaha sy mpanao sakafo ao Talata Volonondry. « Mahafinaritra tokoa ny fivoarana tahaka izao. Efa miha mivoatra tokoa ny tanàna. Efa misokatra eto ireo karazan’asa isan-karaznay na dia mbola ambanivohitra aza » hoy i Sedy, mponina ao Talata Volonondry.
Tsara foana ny mifanohana amin’ny alalan’ny fanjifana ireny vokatra avy eto an-toerana ireny. Isan’ny fihetsika tsotra kanefa tena mampiroborobo ny sehatry ny fandrahararahana tokoa izany.
Nicole Rafalimananjara
