Dépêches

Menabe : Omby enina amby roapolo tafaverina amin’ny tompony

04 Aprily, 08h30. Nahazo antso avy amin’ny lefitrin’ny Ben’ny tanàna avy ao amin’ny kaominina Fanjakana/Beroroha ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimariam-pirenena tao Marerano, distrikan’i Manja, fa misy omby miisa 26, avy any Moropanenitra, kaominina ambanivohitra Satrokala, distrikan’ Ihosy, an’Andriamatoa Marara, niampita ny reniranon’i Mangoky, nizotra nianatsimo atsinanana. Nanao ny asany avy hatrany ireo tompon’andraikitra notarihin’ireo zandary efatra avy ao amin’ny brigadin’i Marerano, nanao ny fisakanana ny kizo tamin’ny ilany atsinanana. Vao nahatazana azy ireo ny dahalo nitondra ny omby dia navelan’izy ireo ny omby, ka naverina noentina teny Ambondrobe ary natolotra avy hatrany ny tompony avy taorian’ny fanamarinana rehetra.

Laisser un commentaire