Akon’ny rivo-doza Freddy: Aman’arivony ireo traboina ary efa nisy ihany koa ny maty
Dépêche 22 février, 13h, Araka ny fanambarana vonjimika avy amin’ny BNGRC na ny Birao Nasionaly momba ny fitantanana ny risika sy ny loza dia efa hatramin’ny 7 295 ireo olona traboina amin’izao fotoana izao noho ity rivo-doza ity avy amin’ny tokan-trano miisa 1 459 ao amin’ny Faritra Vatovavy. Olona iray no maty noentin’ny rano tao Mahanoro amin’izao fotoana. Efa miroso amin’ny famindrana ireo olona marefo izay mety ho voakasiky ity rivo-doza ity ihany koa ireo tompon’andraikitra isam-paritra amin’izao.
