ActualitésTatitra

Mayotte : Tafapetraka ny « vidéosurveillance » ao amin’ny tobin’ny mpamono afo

Mba hiadiana amin’ny fanafihana ireo mpamono afo ao Mayotte sy ny fitaovany dia nametrahana «système de vidéosurveillance mobile/fixe» ao amin’ny tobin’izy ireo. Marihana fa tafiditra ao amin’ny drafitra nasionaly hisorohana sy hiadiana amin’ny fanafihana ny mpamono afo io tetik’asa io (prévention et lutte contre les agressions envers les sapeurs-pompiers).

Nanazava kosa ny lieutenant an’ny SDIS Mayotte (Service Départemental d’Incendie et de Secours), Abou Bacar Ben Mousa fa tsy azo avoaka ny horonantsary azo amin’io « vidéosurveillance » io raha tsy mahazo fahazoan-dalana avy any amin’ny fitsarana.

Laisser un commentaire