Filazana manokana momba ny rivo-doza avy amin’ny Foibe Famantarana ny toetr’andro
Dépêche 22 février, 12h, Ao amin’ny distrikan’ny Beroroha no misy ny foiben’ny Freddy amin’izao fotoana izao raha ahitana fihenana hatrany ny heriny ka mitondra rivotra hatramin’ny 55km isan’ora miaraka amin’ny tafiotra 70km isan’ora. Manana hafainganam-pandeha hatramin’ny 35km isan’ora izy ary mikisaka miankandrefana somary atsimo andrefana. Tombanana hivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika ao amin’ny faritra Atsimo andrefana ny tolak’andro izao. Mbola mitoetra hatrany ny tokony hanajana ireo fepetra rehetra sy ny fanarahana ny vaovao tsy tapaka. Mbola tsy azo atao ny miandriaka ho an’ny faritra Toamasina ka hatrany Cap Ste Marie sy Cap Ste Marie ka hatrany Morondava.
