Dépêches

Fikambanana miahy ny zaza varira eto Madagasikara: Mameloka ny herisetra atao amin’ny zaza varira

31 Aogositra, 14h00, Taorian’ny tranga niseho tato ho ato mahakasika ny fakana an-keriny ny zaza varira sy ny famonoana nisesisesy ireo olona tsy manan-tsiny, nanao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny fikambanana miahy ny zaza varira eto Madagasikara, amin’ny fametrahana lalàna famaizana mafimafy kokoa ho an’ireo mpanao ratsy tratra ary manameloka tanteraka ny herisetra atao amin’ny zaza varira. Eo anatrehan’ny zava-misy tany Ikongo dia tsy manaiky ny fitsaram-bahoaka ny fikambanana.

Laisser un commentaire