Ambohimanambola : Ho saziana izay tratra manimba ny kianja filalaovana basket
Ho saziana izay tratra manimba ny kianja filalaovana basket eny Ambohimanambola manomboka izao hoy ireo tompon’andraikitra. Marihina moa fa efa fito taona teo no misy manimba foana ity kianja ity, indrindra fa ny tabilao sy ny cerceau.
Efa fantatra moa ilay tena mpanimba azy ity hoy ireo mpilalao baolina matetika eny an-toerana. « efa fantatra daholo ny anarany ary tsy mampaninona ahy mihintsy ny manamboatra izany isan’andro saingy to-tsaina no mampalaelo » hoy i Allain mpitantana ny kianja.
Tsara raha hikajy hatrany ny kianja. Namoahana taratasy handoha sazy 50 000 ariary moa ireo izay tratra manimba sy misavilika eo amin’ny cerceau.
Famenontsoa Rajerison
