Fampiofanana : Isan’ny vahaolana ho an’ny tsy fananan’asa
Ny fanamafisana sy fanatsarana ny fampiofanana no vahaolana ho an’ny tsy fananana asa eto amintsika. Marihana fa manodidina ny 500 000 isan-taona ny tanora mitady asa eto amintsika.
« Ny fanamafisana ny paikady ho fampitomboana sy fanatsarana ny fampiofanana no tsapa fa lalana iray ahafahana mampihena ny tahan’ny tsy fananan’asa eto amintsika. Araka ny antontanisa farany ny taona 2022 avy teo anivon’ny Minisitera misahana ny asa, manodidina ny 500 000 isan-taona ny tanora mitady asa » hoy Minisitra Vavitsara Rahantanirina Gabriella. « 40% kosa ny tahan’ny olona miasa ao anatin’ny sehatr’asa tsy mahavelona raha ny antontanisa avy eo anivon’ny Instat. 4% amin’ny olona ampy taona ka tokony ho afaka miasa kosa no tsy an’asa » hoy hatrany ny Ministra.
Tsara foana ny manao ireny fiofanana arak’asa ireny mba hahafahantsika mamorona asa ho antsika. Azo atao tsara ihany koa ny miasa tena amin’izao satria efa tafiditra tanteraka eto amintsika ny tontolon’ny fandraharahana.
Nicole Rafalimananjara
