ActualitésTatitra

Argentine : Lehilahy iray no lanin’ny antsantsa

Tsy hita nanomboaka ny 18 febroary teo i Diego Barria, 32 taona. Handeha hitaingina « quad » tao amin’ny torapasik’i Rocas Coloradas no nialany tao amin’ny trano fonenany, ary tsy nandrenesana vaovao intsony izy taorian’izany.

Andro vitsivitsy taorin’izany dia hita tsy lavitry ny morontsiraky ny toerana nahitana azy farany ny ilay fitaterany sy ny arolohany. Mpanjono roa kosa no nahita ny razan’io lehilahy io tao anaty antsantsa ny talata teo. Nanazava izy ireo fa rehefa nanjono dia nahazo antsantsa saingy rehefa norasaina izany dia nahitana tanan’olona nisy tombokavatsa niendrika sary raozy tao anatiny.

Noraofin’izy ireo moa ambin’ny razan’i Rocas Coloradas tao anatin’ilay biby ary nentiny tany amin’ny manam-pahefana. Raha ny petra-kevitr’ireto farany dia nidona tamin’ny vato, ary tsy nahatsiaro tena io lehilahy io ka nentin’ny rano ary izao lanin’ny antsantsa izao. Namela manontena sy zaza telo kosa ny tenany.

Laisser un commentaire