Oniversiten’Antananarivo: Miantso ireo mpianatra mpikaroka amin’ny fifaninanana tetik’asa
Dépêche 02 mars, 11h, Ao anatin’ny programan’asan’ny Oniversiten’Antananarivo miaraka amin’ny Académie de recherche et d’enseignement supérieur (ARES) dia miantso ireo mpianatra mpikaroka izy ireo amin’ny fifaninana tetik’asa. Ny lohahevitra horaisina amin’izany dia mahakasika ny “fambolena, fanjarian-tsakafo ary fampisakafoanana, tafiditra amin’izany ny sehatry ny siansa sosialy na ny siansa mifandraika amin’ny maha-olombelona”. Ny tena tanjona tamin’ity antso ity di any hahafahana mamatsy vola ireo tetik’asa ho amin’ny fanatanterahana izany ho amin’ny fampandrosoana avy amin’ny fiarahamiasan’ny mpisehatra isan-karazany toy ireo mpampianatra, mpianatra sy tompona tetik’asa ary ireo mpampianatra avy amin’ny Oniversite rehetra manerana ny Nosy.
