Fandriam-pahalemana : Hatao haza lambo ireo mpaka an-keriny ao Ambatondrazaka
Nandritra ny fotoana naharitra izay dia nisehoana tranga na fakana an-keriny matetika tao amin’ny tanànan’Ambatondrazaka. Efa ho an-tapitrisany maro ny vola angatahan’ireo olon-dratsy amin’izany ka noho izany dia namoaka taratasy ny zandaryv ao an-toerana ny amin’ny fanetsehana ny manam-pahefana rehetra amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo.
« Hisy tafika avy any Antananarivo hanampy aty an-toerana, ary misy fepetra manokana horaisina mahakasika izao tranga izao. Ambatondrazaka, Tsaratanana ary Ankazobe no tena hisehoan’izany betsaka ka izany indrindra no nandraisana fepetra manokana sady mafy aty an-toerana amin’izao fotoana izao. Hampitomboana ihany koa ireo manam-pahefana ao amin’ny Kominina Morarano Chrome », hoy ny avy ao amin’ny Brigadin’ny Zandarimaria Ambatondrazaka.
« Ny fikarohana tokony hatao mafimafy satria vantany vao nisy tranga iray dia efa tokony nandray andraikitra ireo mpiaro ny vahoaka ireo. Amin’izao fotoana izao efa mahatratra hatramin’ny 200 tapitrisa ny vola takian’ireo olon-dratsy vao taitra daholo. Matetika dia mandrimandry manana aretina foana ka efa lasa ny aliaka vao manangom-bato tsy efa lasa alavitrta be ve ny olon-dratsy. Ilaina ny fahaizana miserasera fa tsy mijanona amin’ny fahaizana mitam-basy fotsiny ihany », hoy i Toavina, mponina ao Ambararata.
Na dia nanome baiko ny hametrahana ny paik’ady hisorohana ity tranga ity aza ny Filoham-pirenena dia tsy mora izany asa izany. Olana voalohany indrindra dia ny tsy fahafantarana ny atidoha mikotrika izany fakana an-keriny izany, tsy maintsy miainga amin’ny lohany mihitsy ny famongorana ireo olon-dratsy. Izany indrindra no ilaina ny fiaraha-miasan’ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana hahafahana mahazo vaovao sy mamongotra izany.
Miora Raharisolo
